Baolina kitra – D2 Nasionaly : Fantatra ny datin’ny fifanintsanana

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Toliara sy Mahajanga, ny 21 – 30 novambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana D2 Nasionaly, taranja baolina kitra. Andrasana, araka izany, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy izany avy amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Hatra­min’ny nanoratanay, omaly, tsy mbola nisy izany. Ankoatra izay, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny rafitra federaly fa rehefa vita tanteraka ny dingana faharoa, hano­mboka amin’ny herinandro voalohany na faharoa amin’ny volana desambra 2025 ny dingana famaranana na ny “Poule des As”. Lalao hahitana ny ekipa hiakatra amin’ny diviziona voalohany “Pureplay Football League (PFL)”. Ma­no­loana ny resaka mpitsara indray, nilaza ny tomponandraikitra fa efa mirindra ary efa niravona ny olana momba azy ireo. Araka ny nolazain’ny filohan’ny fi­kambanan’ny klioba elita eto Madagasikara (CF­EM), Rako­toarimanana He­nin­tsoa (Tôta), mety hanomboka amin’ny tapaky ny volana desambra ny fifanintsanana nasionaly PFL. Andrasana, araka izany, raha hiampy indray ny isan’ny klioba hifanintsana amin’ny PFL na hihena ho an’ny taom-pilalaovana 2026.

Fitia Randria

Partager sur: