Fivarotana sary mamoafady : Nalefa eny Antanimora ny tompon’antoka

Natolotra ny fampanoa­vana ny 12 novambra 2025 teo ny vehivavy 24 taona, tom­pon’antoka tamin’ny fivaro­tana sary mamoafady, an’ ankizy tsy ampy taona. Tao­rian’ny fakàna am-bavany azy teo anatrehan’ny mpitsara, nadoboka vonjimaika eny Anta­nimora ny tenany, mandra-piandry ny fotoam-pitsa­rana azy.
Maro ny sarina zaza sy ankizy malagasy tsy ampy tao­na mivoaka amin’ireny tambajotra miafina fivarotan-tena antsoina hoe: Darkweb ireny. Anisan’ny lasibatra amin’ izany ny ankizy 11, 13 ary 15 taona. Nanomboka teo ny fikarohana nataon’ny polisy, izay niarahany niasa tamin’ny Interpol any Angletera. Voka­ny, voasambotry ny Polisin’ny Cybercriminalité Anosy, io vehivavy io. Enjehina noho ny fivarotana sarina zaza tsy ampy taona amina teratany vahiny ny tenany.

Amidiny 150 000Ar ny sarin’ny ankizivavy iray.

Marihina fa mampigadra ny famoronana, fanapariahana, fivarotana, fividianana, fijerena ary fitsirihana matetika horonan-tsary mamoafady ahitana ankizy tsy ampy taona, araka ny lalàna Lah. 2014–006, mi­fehy ny heloka ana habaka, nivoaka ny 19 jona 2014. Tsy tompon’andraikitra feno amin’ ny fihetsika ataony ny ankizy latsaky ny 18 taona. Tsy manan-kery eo anatrehan’ny lalàna ny filazana fa nanaiky nanao ny horonan-tsary mamoafady izy ireny.

Mino

Partager sur: