Ho mora kokoa ny fiforonana orana tandrifin-drahona ho an’ny ilany avaratra andrefana sy ny afovoan-tany. Mbola ahina ihany koa ny hisiana havandra ho an’ny afovoan-tany. Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanan’ny Nosy. Vinavinaina hahatratra 55 km isan’ora ny hamafiny, anio, eo anelanelan’i Manakara sy Taolagnaro. Nanome fampitandremana miloko mavo, manomboka eo Manakara hatrany Taolagnaro, ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
“Lasa ny fiandohan’ny herinandro teo ny Panneaux solaires ho an’ny Oniversiten’Antsiranana sy Toliara ho vahaolana amin’ny fisitrahana jiro”, hoy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Vokatry ny asa mivaingana avy amin’ny fitondram-panjakana izany hiadiana amin’ny fahatapahan-jiro eny anivon’ny anjerimanontolo. Hisitraka ireto fitaovana ireto avokoa ny oniversite rehetra manerana ny Nosy.
Miditra ny andiany faharoa amin’ny fandaharam-pampianarana eo amin’ny sehatra Photovoltaïque, “type ATE”, eny amin’ny LTP Alarobia sy Toliara. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo tanora mahafeno fepetra sy maniry hanana asa maharitra eo amin’ ny sehatry ny angovo azo havaozina. Manolotra fiofanana mifandimby, amin’ny lesona sy fampiharana, ny fandaharam-pianarana. Toy ny fianarana eny amin’ny LTP, ny fanazarana asa eny amin’ny orinasa. Tanjona ny hanampy ny tanora hahazo traikefa sy fahaiza-manao mifanaraka amin’ny filan’ny tsena amin’ny angovo maitso.




