Mitondra fanazavana ny tomponandraikitry ny fandrindrana ny trano fonenan’ny mpianatra (Croua) eny Ankatso manoloana ny korontana niafara tamin’ny fanakatonana birao. Ny alarobia teo no nampiantso ireo mpianatra tsy ara-dalàna ny tomponandraikitra.
Nanakorontana ny mpianatra, ka niezaka nifanazava tamin’ izy ireo ny tomponandraikitra, saingy henjan-droa ny tady. Nitaona namana ireo mpianatra, sady nandrahona ireo mpiasa ao amin’ny Croua. Niafara tamin’ny fanakatonana ny biraon’ny Croua mihitsy izany herisetra nataon’ny mpianatra izany.
“Tsy ekena ny gaboraraka sy fandrahonana ny mpiasa manao ny asany”, hoy ny avy amin’ny Croua. Tsy nisy ny fanavaozana nataon’ireo mpianatra nandritra ny 2 taona ny amin’ny mbola hipetrahany eny amin’ny Cité ka izay no ilazana fa tsy ara-dalàna intsony izy ireo, raha ny fanazavana.
Tetsy andaniny, nanazava ny mpianatra fa nikasi-tanana voalohany ny mpiasan’ny Croua rehefa nisy ny fifamaliana. Mahery vava sy nanevateva ireo mpianatra ihany koa ny
iretsy andaniny. Tsy manaiky ny kolikoly eo amin’ny fitsinjarana trano ny mpianatra ka mijoro amin’ny mangarahara, hoy izy ireo.
Tatiana A




