Naka an-keriny mpandraharaha: Jiolahy dimy lavon’ny polisy

Namoy ny ainy avokoa ny dimy tamin’ireo mpaka an-keriny tao Antsirabe, ny 13 novambra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny mpandraharaha sady tompona orinasa iray ao an-toerana, ny alarobia 12 novambra lasa teo. Nametraka fito­riana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra. Nanao ny fanangonam-baovao rehetra avy hatrany ny “Cellule mixte” izay niarahan’ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria ao Antsirabe. Nahazo loharanom-baovao momba ireo ahina ho nahavanon-doza izy ireo. Natao ny fidinana ifotony tao amin’ny villa iray tao amin’ny tanànan’i Vatofotsy. Nohazonin’ireo mpaka an-keriny tao amin’io toerana io ilay mpandraharaha. Nitifitra avy hatrany ireo jiolahy rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana taorian’io. Vokany, lavo ny roa tamin’ireo mpanao ratsy. Nandositra tamin’ny fiara ny telo ary roa hafa azo sambo-belona. Nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny polisy tamin’ireo jiolahy nitondra fiara. Tratra teo Andohanakoho ireto mpanao ratsy. Maty voatifitra koa izy ireo. Avotra ny takalonaina. Tsy nisy nahina rahateo ny ain’ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: