Ravan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra (CB) Fenoarivo, notarihin’ny GPHC Rakotonanahary Joro, ny alin’ny alahady 9 novambra 2025, ireo jiolahy tompon’antoka tamina fanafihana amin’iny distrikan’Atsimondrano iny.
Notafihin’ny andian-jiolahy ny mpivarotra iray ao amin’ny fokontany Ambohimangidy, Ampitatafika, tamin’io fotoana io. Voaroban’ireo mpanafika tamin’ izany ny entam-barotra, finday marobe ary vola 4 500 000Ar. Nanapoaka basy ireo jiolahy nandritra ny asa ratsiny. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy. Nahitam-bokany izany. Tratran’ny zandary tamin’ny misasakalina, tamin’ io fotoana io, ny jiolahy iray anisan’ireo nanafika tao amin’ ilay mpivarotra. Mbola nahatrarana entana halatra tany aminy, nandritra ny fisavan’ny zandary. Niainga avy amin’ity jiolahy tratra ity ny fanadihadiana nataon’ny zandary ka nahafahana nisambotra ireo namany teny Ampitatafika, 67Ha, Itaosy, afakomaly. Niaiky ny heloka vitany ry zalahy nandritra ny famotorana nataon’ny zandary. Nohamafisin’ny lefitry ny kaomandin’ny zandary ao amin’ny kaompania Tanà Ville, ny lietnà Rabarisoa Rénaud, fa basy vita tanana iray, bala miisa sivy ary basy poleta iray miaraka amin’ny bala dimy tsy mbola nipoaka no hita tany amin’izy ireo. « Ireto jiolahy ireto no tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tamin’iny faritr’i 67Ha, Anosibe, Ambohimangidy hatrany Itaosy iny. Nisy tamin’izy ireo no nandray anjara mivantana tamin’ny fanafihana », hoy ny fanazavan’ity manamboninahitra ity. Hita tao an-tranon’ireo olon-dratsy ny entana halatra sy finday marobe fampiasa
sy fanomanana ny toerana hanaovana fanafihana.
Maka sary eo ambony fandriana ireo jiolahy
Raha ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Fenoarivo, mbola nahitana hafatra nifanaovan’ireo jiolahy tao anatin’ ireo finday marobe ireo. Tsy vitan’izay fa maka sary miaraka ry zalahy mialoha ny fanafihana. Toy izay koa, maka sary eo ambony fandriana izy ireo miaraka amin’ny volabe rehefa avy manafika. Raha ny voarakitra ao anatin’ireo finday, mikasa mbola hanafika eny Itaosy sy Andakana ry zalahy, omaly. « Agent de sécurité » ny iray amin’ireo jiolahy. Tsy vitan’izay fa ao anatina fikambanan-jiolahy mpitam-piadiana mahery vaika ihany koa. Voalazan’ny zandary fa eny Ampitatafika eny ihany ny sasany amin’izy ireo. Eo am-pikarohana ilay jiolahy tafaporitsaka niaraka tamin’ny vola 4 500 000Ar ny zandary.
Jean Claude




