Nanao fianianana omaly ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina vaovao, miisa 20, avy amin’ny Peace Corps. « Sambany teo amin’ny tantarany no nisy teratany Malagasy-amerikanina nilatsaka an-tsitrapo manao fanoloran-tena ho an’ny tanindrazany. Hitombo izany ny Malagasy hoavy hanao asa soa amin’ny alalan’ny Peace corps aoriana ao”, hoy ny masoivoho amerikanina.
Nandritra ny fianianana nataony dia nanome toky amin’ ny fanetren-tena sy fahavononana ny hianatra ary hizara traikefa any amin’ireo toerana hiasany izy ireo. Hiatrika fanamby ary hahatsapa fa hihalalina ny fifandraisana amin’ny fiarahamonina.
Mifantoka hatrany amin’ny sehatry ny fampianarana sy fahasalamana ary ny tontolo ambanivohitra ny tohana entin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina.
Tsy ny tetikasa vita ihany no handrefesana ny ezaka vitany ao anatin’ny roa taona hiasany eto fa eo indrindra koa ny fiovana sy fahatsarana ho hita taratra amin’ny fiainan’ireo mpiara-monina misy azy.
Fanompoana anaty fangorahana sy fifanajana rahateo no tarigetra ijoroan’ny Peace Corps.
Nandritra ny 11 herinandro no niofanan’izy ireo tany Mantasoa. Nianatra momba ny kolontsaina sy ny fomba fanaon’ireo faritra hivantanany avy. Nianatra teny malagasy sy ny fiarovan-tena rehetra tokony ho hay mba tsy harary na hitera-doza ihany koa izy ireo tamin’izany.
Tatiana A




