Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovin’olona 7, sokajy vehivavy. Firenena 12 hifanandrina hiady izay hahazo ny tapakila hiatrehana ny “World Challenger Series 2026”. Anisan’izany ny Makis Ladies Madagasikara.
Hanomboka anio, any Nairobi Kenya, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny taranja rugby, lalaovin’olona 7, sokajy vehivavy. Firenena 12 ireo hiady ho lohany amin’izany ka anisan’ireo ny Makis Ladies Madagasikara. Efa any an-toerana, hatramin’ny alarobia lasa teo, ny delegasionina malagasy. Vonona izy ireo hiatrika ity fifaninanana ity. Ao amin’ny vondrona “D”, miaraka amin’i Tunisie sy i Egypte no misy ny ekipa malagasy. Raha ny fandaharam-potoana, amin’ity anio ity, hidona voalohany amin’ny Makis ny Faraonan’i Egypta, manomboka amin’ny 12 ora atoandro. Amin’ny 3 ora folakandro kosa, hifanandrina amin’i Tunisie izy ireo.
Tsiahivina fa tafita hiatrika ny lalao manasa-dalana ny ekipa voalohany manana isa betsaka indrindra isam-bondrona. Raha ny tombana, mety tsy hahasakana ny Makis Ladies ireto firenena magrebianina ireto. Raha ny filaharana farany navoakan’ny World Rugby mantsy, fahefatra aty Afrika ny Makis Ladies, raha fahadimy i Tunisie ary faha-12 ry zareo Egyptianina.
Ankoatra izay, ao amin’ny sokajy “A” no misy an’i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe ary i Maurice. Heverin’ny rehetra fa hangotraka ny fihaonana eo amin-dry zareo Springboks sy i Zimbabwe amin’ity, izay hiendrika famaranana kely mihitsy.
Ahitana an’i Kenya sy i Ghana ary ny Elefantan’i Côte d’Ivoire ny sokajy “B”. Raha ny lojika, ho tafavoaka ny kenyanina. Hiaraka ao amin’ny vondrona “C” i Ouganda sy i Zambie ary i Burkina Faso.
Hanana ny lanjany lehibe ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hahazoana ny tapakila hiatrehana ny “World Challenger Series 2026”.
Tompondaka




