Mitaraina ny mpitantana sekoly fianarana mamily fiarakodia eto Madagasikara, mivondrona ao amin’ny Secom. Efa nitondra ny hetahetany teny anivon’ny minisitera roa voakasika izy ireo.
Mangataka ny hamerenana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia vita amin’ny baoritra toy ny teo aloha ny Syndicat des écoles de conduite de Madagascar (Secom), araka ny fampitam-baovao nataon’ izy ireo teny Antanimena, omaly. Tonga teto Antananarivo avokoa ny filoha lefitra isam-paritany nanohana ny hetsika fitakiana miantefa
amin’ny fitondrana sy ny minisitera roa (ny Atitany sy ny Fitaterana) voakasika. Tojo olana ireo rehetra nahavita fanadinana familiana fiarakodia ka afaka, ary miandry ny fisitrahana ny taratasy fahazoan-dalana hamily. Hatreto, betsaka ny mpampiasa tsy manaiky ny « certificat provisoire de capacité » mandra-pahazoan’ny mpianatra ny fahazoan-dalana tena izy izay efa novana ho biométrique nanomboka ny taona 2016.
Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny olona ny « certificat provisoire » rehefa hitady asa satria tsy manan-danja manoloana ny mpampiasa sy ny mpitandro filaminana sasany. Manana olana mitovy amin’izay ihany koa ireo olona efa manana fahazoan-dalana nefa mila fanavaozana.
« Ny imprimerie nationale eto amintsika no afaka manonta ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiara izay mamaly ny hetaheta fitsitsiana tian’ny fitondrana hapetraka amin’izao fotoana izao. Hiarovana azy kosa, asiana QR, rivet ary cachet sec isorohana ny fisandohana sy ny hosoka samihafa. Mitaky fahamatorana eo anivon’ny Centre immatriculateur tsirairay ny lamina”, hoy ny filohan’ny Secom, Rajaonarison Noro. Efa tafita any amin’ny minisitra roa tonta ny hetaheta nandritra ny fihaonan’izy ireo tamin’ny sendikà tamin’ity herinandro ity.
Ilaina ny fitsinjaram-pahefana
200 ny isan’ny Auto école manerana ny Nosy. Manana olana amin’ny fikarakarana taratasy ara-panjakana ny mpitantana sy ny mpampianatra ao aminy. Aty Antananarivo avokoa no atao ny fihaonana amin’ny tomponandraikitra, ny fiofanana ary ny fanadinana ho an’ny mpampianatra (moniteur) avy any amin’ny faritany. Toy izany koa ny fangatahana fahazoan-dalana (agrément) hanokatra sekoly hampianarana mamily. Manana sampana eny anivon’ny faritra nefa ny minisitera voakasika ka tokony hampiharina ny fitsinjaram-pahefana hisorohana ny fotoana sy ny vola lany.
Vonjy A.




