SOMBIM-BAOVAO

Nihaona tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré, tetsy amin’ny biraony, Ambohijatovo, omaly, ny filo­han’ny Kaonfederasionina afrikanina ny baolina kitra teo aloha, i Ahmad Ahmad. Tanjona ny fifampizarana traikefa amin’ny fitantanana sy ny hampiroboroboana ny taranja baolina kitra. Nodinihina manokana ny ma­hakasika ny fankatoavana ny Kianja Barea Maha­masina.

Lavon’ny ekipam-pirenen’i Irlande, tamin’ny isa 2 no ho 0, ny Seleçao Portugal, afakomaly, eo amin’ ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila ho an’ny «Mon­dial 2026 », faritra Eoropa. Tsy mbola tafita, araka izany, ny ekipan’i Ronaldo, izay nahazo karatra mena ka tsy milalao amin’ny fihaonana farany hifanandrinana amin’i Armenie.

Ho an’ny faritra Afrika indray, tafita hiatrika ny lalao famaranana amin’ny lalao sakana, ny ekipam-pirenen’ny Repoblika demokratika an’i Congo (RDC), omaly. Resin’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0, i Came­roun. Hidona amin-dry zalahy amin’ny famaranana, i Nigeria, nandavo an’i Gabon. Lalao hotanterahina rahampitso.

Partager sur: