Bodybuilding – Fifanintsanana : Nitondra medaly roa ny Malagasy na tsy nisy nanampy aza

Na dia tsy notohanana aza, nitondra avo ny voninahi-pirenena malagasy ihany, ry Rado sy Maurice. Voahosotra ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja « Bodybuilding », i Rado, faharoa kosa i Maurice.

Nisongadina indray ny atleta malagasy! Nan­drombaka medaly roa, volamena sy volafotsy, ny solontenan’i Madagasikara nan­dritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, « World Bodybuilding & Phy­sique Sports Federa­tion » (WBPF), izay natao tany Batam, Indonezia, ny faran’ny herinandro teo. Rakotoman­dimby Rado, sokajy 80–85 kg, nibata ny medaly volamena, ary lasany indray ny anaram-boninahitra maha tompondaka maneran-tany azy amin’ity fifaninanana ity.
Nandritra ny fampiseh­ana ny bika mifono hozatra na­taony, nahatalanjona ireo mpi­tsara ny fahaiza-manao teny ambony sehatra ka io no nampiakatra azy teo an-tampony. Tetsy ankilany, i Maurice Ma­rinjara, sokajy « Classic Phy­sique » ho an’ny olona mirefy latsaky ny 1 m sy 75, dia nandrombaka ny medaly volafo­tsy.

Nianto-tena, tsy nisy nanampy …
Na dia natao toy ny « za­nak’i kiala hafa » aza izy mi­rahalahy, nitondra medaly ho an’ny tanindrazana ireto, niezaka nampiseho ny maha izy azy ihany izy ireo. No­ma­ri­han-dry zareo teo am­pian­gana mantsy fa tsy nisy ny fanohanana avy amin’ny minisitera mpiahy, fa nianto-tena izy roa lahy. Mametra-panontaniana ihany ny mpanara-baovao, hoe :  « maninona no tsy na­nampy ny fanjakana tamin’ity fifaninanana maneran-tany ity? Etsy ankilany, izy ireo izay milaza fa tsy hanavaka ireo taranja misy eto Madaga­sikara ». Tsy afaka nandeha nanaraka azy mirahalahy moa ny federasionina noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana.
Porofo hita tsara izao, fa efa miroborobo ny taranja Bodybuilding eto Madaga­sikara, ary miezaka hatrany mampiakatra avo ny voninahi-pirenena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na eo aza ny tsy fanohanana an-dry zareo.

Fitia Randria

Partager sur: