Hiatrika lalao indray ny Barean’i Madagasikara anio. Fihaonana tsy ofisialy fa fanomanan-tena ihany. Efa mangina rahateo ny olan’ny federasionina, taorian’ny hetsika nitakiana ireo volan’ny mpilalao tamin’ny « Chan 2024 ». Manangasanga indray ity ny mety tsy hahatanteraka ny fihodinana faharoa amin’ny Diviziona faharoa nasionaly. Mety miala loza izany ka sendra atambo. Nifify ny mamba fiandry fintana, fa tojo ny voay hanaikitra tsy mikomban-drano.
Heno mantsy fa tsy mbola voaloa indray ny tambin-karaman’ireo mpitsara tamin’ny taon-dasa ka tsy manaiky hitantana izany fihaonana izany izy ireo. Saonjo iray lohasaha anefa tsy ilaozan’izay hamarara. Misy hatrany ireo zana-maningana hoy ny sasany ka toa miala loza ka sendra atambo. Izy mivady ve no miady ka ny ankizy no voaporiporitra. Tsy fantatry ny ety ivelany tokoa aloha ny olana anaty misy eo amin’ity taranja mankarary ny Malagasy rehetra ity. Ny fotsim-bary tokoa mahita ny am-pon’ny vilany, ary ny rano mahafantatra ny ao anatin’ny siny. Enga anie, tsy voafitaky ny olona hitokiany, tsy voafahan-dalitry ny mpanolotsainy, tsy ho kaikerin’ny amboa tiany, ny filohan’ ny federasionina malagasin’ ny baolina kitra. Ka sao miala loza ka sendra ny atambo. Mandositra ny horakoraka ka tahotry ny akoralava.
Mila mijery ambony, mijery ambany. Todihina ny lasa, banjinina ny ho avy. Koa aza manentsi-tadiny, fa ny resaka mantsy toa fira hazo an’ala, tsy mety raha tsy valiana. Koa miandry vaha-olana, ny mpisehatra mba tsy hivarina an-kady ka kenda vao domy aho, ranoatra. Tsy mety rahateo, ny manao toy ny maso bala, mifanaraka ihany fa mifanara-dratsy ka sao miala loza ka sendra atambo.
Tompondaka




