Haintrano tetsy Andavamamba : Rangahy iray may kilan’ny afo tao an-tranony

Nitrangana haintrano na­mo­izana aina indray tetsy amin’ny Cité Tanambao Anda­vamamba, Andavama­mba Anjezika II, boriborintany voalohany, omaly maraina ta­min’ny 10 ora latsaka fah­fany. May kilan’ny afo nandritra izany, ny lehilahy iray, manodidina ny 50 taona. Raha ny fanazavana voaray amin’ny mponina manodidina, mipetra-drery io rangahy maty io. Trano biriky nahitana efitra iray no niaingan’ny afo. Tery ny varavarana nivoahana ny trano, niezaka namono ny afo tao anatiny izy no tsy tafavo­aka ka sempotra tao ary izao maty izao.
Trano biriky efitra iray no may kilan’ny afo tamin’izany. Nandritra ny fizahana ny tao anaty trano, vatana manga­tsiaka may kilan’ny afo, teo amin’ny sisim-pandriana no hita. Tsy nanao akanjo amboniny sy natory nihohaka. An­koatra izay, mbola nandeha ihany koa ny rano tao an-trano. Fitaovana informatika maro ihany koa no simba. Tsy fantatra mazava ny anton’ny loza, fa heverina ho fifampikasohan’ny herinaratra no nihavian’ny firehetana.
Tonga teny an-toerana ny polisy avy amin’ny CSP4 Isotry, nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana taorian’ny antso vonjy nataon’ny sefo fokontany teny an-toerana. Nigadona teny an-toerana ihany koa ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina ta­min’ny 11 ora latsaka 10. Voa­fehy tanteraka ny afo teo amin’ ny 12 ora latsaka fahefany teo. Naka ny razana sy nitondra izany eny amin’ny tranopatin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH tamin’ny 12 ora sy fahatelony atoandro.

Mino

Partager sur: