Hazakazaka Trail UCTS: Hisy ny fifaninanana ho an’ny ankizy

Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 novambra ho avy izao, eto an-dRenivohitra, ny hazakazaka mitety vohitra sy natiora, « Ultra Trek des Col­lines Sacrées (UTCS) ». He­tsika lehibe izay karakarain’
ny Ortana izy ity. Imasoana ny hampiroboroboana ny fizahantany maharitra sy ny Fanatanjahantena eto Anala­manga. Hampiavaka an’ity andiany ity, ny « Kilonga Trail (2,76 km) », natokana ho an’ ny ankizy 10 taona miakatra. Tanjona ny hisarika azy ireo amin’ny soatoavin’ny fa­na­tanjahantena sy ny fiahiana ny tontolo iainana.
Ankoatra azy io, misy iha­ny koa ny « Trail Découverte Am­bohitsimeloka (5,14 km) », natokana ho an’ny fianakav­ana sy ireo vao hanomboka amin’ny tontolon’ny hazak­zaka trail, mba hahafahany mahazo traikefa maro amin’ izany.
Ampahafantarina ihany fa mbola misy hatrany ireo fifanintsanana natao ho an’ireo efa sangany amin’ity hazakazaka mitety vohitra sy natiora ity. Anisan’izany ny « Ultra Tour », izay mirefy 127,5 km. Raha ny fanazavana azo omaly, maro ireo teratany vahiny eto amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina handray anjara amin’ity andiany manaraka ity.

Fitia Randria

Partager sur: