Efa lasa any Algerie ireo mpianatra 13 nahazo vatsim-pianarana taorian’ny fitsofan-drano nataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio, azy ireo, ny herinandro lasa teo, teny Ampefiloha.
Mpianatra 13 (vehivavy telo ary lehilahy folo) andiany voalohany no nalefan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa any Algerie. Satria, nisitraka vatsim-pianarana ka handrato fahalalana any an-toerana mandritra ny dimy taona izy ireo. Tanora anisany nahazo naoty tsara indrindra tamin’ny bakalorea, taona 2024, ireo mpianatra ireo. Isan-taona, misy fifantenana karazany efatra eo anivon’ny minisitera hisafidianana ireo teny mendrika ka ny fifantenana mifototra amin’ny fahaizana indrindra isaky ny faritra sy ny miralenta (lahy sy vavy) no nampiasaina ho azy 13. Mbola mandalo sivana indroa miantoana ny antontan-taratasin’ireo mpianatra. Voalohany, eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika ary faharoa ao anatin’ny masoivohon’i Algerie eto amintsika, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fiaraha-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoanambinina Aimée Ferdinand.
Comptabilité gestion, taotrano sy asa vaventy, fabrication mécanique ary fikirakirana ny hazo ny lalam-piofanana misy azy ireo. 16 ireo voasafidy teny am-piandohana fa 13 kosa no nahafeno ny fepetra sy voaray farany rehefa nandalo ny sivana roa. Ireo mpianatra avy amin’ny LTP tantanin’ny fanjakana no natao laharam-pahamehana tamin’ ny sivana.
Misy fepetra notakian’ny masoivohon’i Algérie momba ny fandraisana azy ireo. Ny ray aman-dreny tsirairay no handray an-tanana ny fandefasana azy ireo ho any Algérie fa rehefa tonga any vao iantohan’ny fanjakana algerianina tanteraka ny trano sy ny sakafo ary ny fiahiana ny fianarany. Fepetra noraisiny izany hahazoana antoka fa vonona ny ray aman-dreny sy ny mpianatra hifototra amin’ny fianarana.
Vonjy




