Nifarana omaly, tany Kenya ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby lalaovina olona vehivavy “Africa Women’s 7’s Tournament”. Toy ny tamin’ny taon-dasa, laharana fahefatra ny Makis Ladies. Resin’ny The Cranes Ouganda, tamin’ny isa 38 no ho 12 teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo. Tsy mbola afa-bela tamin-dry zareo Ogandezy indray ny Makis Ladies, tamin’ity. Mbola olana ho an’ny ekipa malagasy ny tsy fahampian’ny vatana ka hain’ireo mpifanandrina ny nanararaotra izay lesoka izay.
Nanaporofo izany, ny lalao manasa-dalana nikatrohana tamin’ny Springboks Afrika atsimo. Niondrika tamin’ny isa mavesatra 29 no ho 0 ny Makis Ladies. Toy ny nanaovan’ny afrikanina tatsimo, fanazarantena fotsiny. Marihina fa tompondaka tamin’ity ny Springboks rehefa nandresy an’i Kenya, teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 22 no ho 0. Hiatrika ny “circuits mondiaux” izany i Kenya sy i Afrika Atsimo. Raha tsiahivina kosa ny lalan’ny Makis, nandresy nisesy an’i Tunisie sy i Egypte, tamin’ny lalaom-bondrona avy eo nanilika an’i Zambie, nandritra ny ampahefa-dalana.
Tompondaka




