Narian’ireo tsy mataho-tody tao anaty lakandrano iray tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja. Nahitana diam-pamaky miisa dimy tao amin’ny faritry ny lohany aoriana.
Hita faty tao anaty lakandrano iray, tetsy Tsarafaritra Tsimbazaza ny fatin’i Miguel, ankizilahy kely vao 7 taona monja, ny alin’ny zoma mankany amin’ny sabotsy tokony ho 12 ora sy sasany teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary ntsipy sy nasitrika tao anaty lakandrano ny razana. « Natsingolika ary nataon’ireo tsy mataho-tody ambany ny lohany”, hoy ny fanazavan’i Solo, mpiara-monina niara-nikaroka ny razana. Tsy fantatra mazava ny anton’ny famonoana fa heverina ho valifaty na hetraketraka ny anton’ny famonoana. Ny alakamisy teo ny andro nankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’io zaza maty io. Ny zoma hariva tamin’ny 5 ora sy sasany, tsy hita popoka i Miguel rehefa hampandro azy ny reniny. Raha ny fanazavana voaray, niara-nilalao tamin’ny ankizy namany teo an-tokotany izy talohan’io. Natao ny fikarohana azy nanomboka teo, nifampizara ny mpiara-monina. Natao ny filazana fikarohana tamin’ny tambajotra an-tserasera sy tany amin’ny polisy. Tamin’ny 12 ora sy sasany alina vao hita ny razana. Ny dadany avy niasa alina no nisisika mbola hikarohana izany. Hita teo amin’ny lalana ny ilana kapan’ilay zaza. Notohizana ny dia ary hita tao anaty lakandrano efa nitsingolika i Miguel. Efa hatratra tanteraka ny razana nefa tsy nahitana ra ny toerana nahitana azy. « Novonoina tany an-kafa ary narian’ireo tsy mataho-tody », hoy hatrany ny fanazavana.
Mamakely novonoina
Ankoatra izay, novonoin’ ny olona ilay renikelin’i Miguel. Nisy nanendrikendrika ho nanao ny famonoana ny mamakelin’io zaza maty io tamin’ny zoma alina. Ity farany izay miara-monina sy miray vodirindrina amin’ny renin’ny zaza. Narovan’ny fokonolona izany mba hitadiavana ny marina amin’ny raharaha. Ananan’ny fianakaviana ahiahy moa io renikelin’ny zaza maty sy ny anadahiny, raha ny fanazavana voaray.
Efa noentina nozahana teny amin’ny hopitaly HJRA ny razana. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny Brigade criminelle Anosy kosa ny tohin’ny fanadihadiana. Efa nisy ny fihainoana sy fakana am-bavany ireo olona maromaro.
Mino




