Nahitam-piakarany sahady ny vidin’atody eny an-tsena tao anatin’ny andro vitsy. Manomboka amin’ ny 500 Ar ka hatramin’ny 700Ar ny vidin’ izany eny amin’ny mpanijara raha toa 450 Ar teo aloha. Anisan’ny mampiakatra ny vidin’atody ny fiakaran’ny vidin-katsaka izay foto-tsakafon’ireo biby fiompy.
Tafita ny fahalalana nozaraina tamin’ireo mpiompy trondro avy amin’ny fikambanana Mahavotse, tao Fenoarivo, distrika Amboasary. Nanomboka naka ireo trondro nompiana nandritra ny enim-bolana ireo mpiompy, afapo ny rehetra satria tafakatra 200 g eo ny trondro iray. Tapaka fa atao site “vitrine” ao an-toerana ity toeram-piompiana trondro ity. Marihina fa zana-trondro miisa 600 no narotsaka tao amin’ny dobo.
Mihoatra ny 5 miliara dolara ny vola voaangona ao anatin’ny tetikasa “Tropical Forest Forever Facility” (TFFF) hankasitrahana ireo firenena miaro
ny alany. Omena mivantana ireo vondrom-piaraha-monina sy mponina eny ifotony ny 20% amin’ny vola. Izy ireo izay tena mpiambina sy mpiaro ny ala.




