Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha-65 taonan’ny Rosa Club de l’Imerina (RCI), taranja rugby, ny volana mey lasa iny, nitohy ny alahady teo, tetsy Antohomadinika, ny hetsika. Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana nitondrana am-bavaka ny ekipa sy ireo mpitantana ary ny mpilalao rehetra izany, mba ho taon’ny fahamatorana sy fiotazam-bokatra ary hikolokoloana ireo tanora, ho an’ ny hoavin’ny klioba ny taona rehetra mbola ho diavina. Tsy notazomin’ny klioba Rosa ho azy ireo irery ny fifaliana fa niaraha-nizara tamin’ny fokontany Antohomadinika, toerana misy azy ireo. Niaraka nanao «carnaval» nitety tanàna, araka izany, ireo mpilalao sy mpitantana. Nofaranana tamin’ny fiaraha-misakafo izany avy eo. Niavaka ny tamin’ity satria nitontona tamin’ny tsingerin-taona nahaterahin-dRandrianarison Eric (Sefo), mpanazatra ny Makis, sady mpilalao fahiny tao amin’ny Rosa Club de l’Imerina.
Anisan’ny mpanohana ary mitaiza ireo mpilalao ao amin’ity fileovana Antohomadinika ity, Rabetsivoh Claudia sy Lock Hong Maxime, miaraka amin’ny Imex sy ny MCE ary ny MBT. Tsy mijanona ho fankalazana ny faha-65 taona fotsiny fa tafiditra ao anatin’ny tanjon’ny klioba ihany koa ny mitaiza ireo tanora, hiady amin’ny fidorohana zavamaha-domelina sy ny herisetra ary ny fidonanam-poana, araka ny nambaran’Andriambololomanana Sedinirina, filohan’ny Rosa Club de l’Imerina.
Tompondaka




