Miantoka ny fampandrosoana ny toekarena ny indostria noho izy mamorona asa sy mampidi-bola ho an’ny firenena sy ho an’ny tsirairay. Antony indrindra hirosoana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana mba hizoran’ny firenena mankany amin’ny fampandrosoana maharitra. «Hatsangana tsy ho ela ny tahirim-bola nasionaly hatokana ho fampandrosoana ny indostria» (FNDI), hoy ny minisitra Rasoarahona Andriniaina, nandritra ny fanokafana ny Forum national des entrepreneurs, andiany fahafito. Mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka ny fandraharahana. Tombony ho an’i Madagasikara ny fananàna tanora mpandraharaha maro izay afaka mitrandraka ireo harena sy fahalalana amina sehatra marolafy. Hojerena haingana, hoy ny minisitra, ny hanatsarana ny tontolo hiasan’ny mpandraharaha ka misokatra tanteraka amin’ny fifampiresahana mba hifampitsinjovana ny fanjakana. Aorian’izay, hisy ny fikaonadoham-pirenena sy fikaonadoham-paritra hiarahan’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hijerena ny olana sy ny vahaolana mahomby.
Henintsoa




