Notanterahina ny alarobia lasa teo, tetsy amin’ny Gara Soarano, ny hetsika “Supplier Day”, andiany faharoa. Fotoan-dehibe ihaonan’ny Orange Madagascar amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy manodidina ny 200. Tanjona iombonana ny hanamafy ny fifandraisana, hifampizara traikefa ary hanatratra miaraka ny vina apetraky ny Orange Madagascar. Mpiara-miombon’antoka stratejika ho an’ny orinasa ireo mpiara-miasa aminy noho izy mandray anjara mivantana amin’ny fahombiazan’ny tetikasa sy ny kalitaon’ny tolotra omena ny mpanjifa. Manaja ny soatovina sy zon’olombelona manome lanja ny tontolo iainana ny politika apetraky ny Orange Madagascar.
Misy, araka izany, ny tombana ataony hanaraha-maso raha manaja ny fandraisan’andraikitra sosialy sy tontolo iainana (RSE) ireo mpiara-miombon’antoka aminy. « Omena lanja manokana ny fampivoarana, ny kalitaon’ny asa hiatrehana ireo fanamby ara-teknolojika sy ara-toekarena », hoy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Aminata Ndiaye Niang. Marihina fa sehatra ifanakalozan-kevitra ahafahan’ny Orange Madagascar sy ny mpiara-miombon’antoka miara-manome vahaolana iraisana hampahomby ny fiaraha-miasa ny “Supplier Day”. « Manamafy ny fiaraha-miasa maharitra amin’ireo mpiara-miombon’antoka ny fifampitokisana sy ny mangarahara ao anatin’ny politikan’ny fandraisan’andraikitra », hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar.
Henintsoa




