Natao ny 12 novambra lasa teo, tao amin’ny LTP Ampefiloha, ny fanadinana an-tsoratra ary notohizana ny ampitso ny fanadinana fampiharana izay notanterahina teny amin’ny ivontoeram-pampiofanana manokana momba ny taovolo. Tafiditra ao anatin’ny Formation professionnelle qualifiante (FPQ) ireo fanadinana ireo.
Mpiadina 332 no nandray anjara, avy amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Boeny ary Alaotra Mangoro.
Ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, amin’ny alalan’ny Direction des évaluations professionnelles et de la valorisation des acquis de l’éxpérience (DEPVAE) sy ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa isaky ny faritra no nikarakara sy nandrindra ny fizotry ny fanadinana. Tanjon’ny fanadinana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora sy hanatsarana ny kalitaon’ny asa eo amin’ny sehatry ny taovolo. Ireo mpiadina mahomby amin’ity dingana ity dia hahazo ny Certificat de fin de formation (CFF).
Vonjy




