VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 800 000 taonina (t) ny filan’i Ma­dagasikara amin’ny fanafarana vary amin’ity taona ity. Fanafarana ambony indrindra nataontsika tao anatin’ny taona maro. Marihina fa mitentina 924,5 miliara Ar ireo vary milanja 607 000 t nafarantsika nandritra ny telo volana voalohan’ity taona ity. Ambany ny famokarana eto amintsika ka tsy tratra avokoa ireo tanjona napetraka.

Tafakatra 17 272,8 miliara Ar ny vola nampidirin’i Madagasikara tao anatin’ny sivy volana voalohan’ny taona 2025. Azo tamina akora fototra ny 4 594,5 mi­liara Ar. Mitentina 3 293,7 miliara Ar ny vola azo tamin’ireo fitaovana samihafa. Manodidina ny 2 845,5 miliara Ar ho an’ny angovo. Nampahafantatra ny fadintseranan malagasy fa avy amin’ny sakafo ireo vola 2 536,4 miliara Ar niditra teto amintsika, raha toa ka tamin’ny entana hafa ireo 4 002,7 miliara Ar.

Saika naondrana any Addis Abeba ireo sokatra miisa 56 tra-tehaka teny amin’ny seranam-piaramadin’i Fascène, Nosy Be. Hatreto, tsy mbola fantatra ny tompon’ireo valizy efatra nahitana izany. Tsy nandalo fisavana miditra amin’ny trano fiondranana ny tompony sady tsy hita tao amin’ny faritry ny seranam-piaramanidina ihany koa. Karazana sokatra Astrochelys radiata ireto sokatra saika haondrana ireto.

Partager sur: