Ambodivona : Lehilahy nangalatra 5 tapitrisa Ar voasambotra

Mpiasa nangalatra volan’ ny mpampiasa azy voasambotra tetsy amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy Ambo­di­voina, ny 16 novambra teo. Niasa tao amin’ny tranombarotra iray tao Mananara Ava­ratra io lehilahy io. Nana­raraotra ny fahatokisan’ny mpampiasa azy izy ka nan­javona nanomboka ny 10 no­vambra lasa teo. Nanama­rina ny vola tao an-tsena ny mpam­piasa azy, kinanjo ban­ga lelavola mitetina 5 800 000 Ar. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filami­nana miasa ao amin’ny kaomisaria Mananara Avaratra avy hatrany ny lasibatra. Niroso tamin’ny fanaovana fanadihadiana izy ireo. Naharay loharanom-baovao izy ireo fa nandositra niakatra aty an-dReni­vohitra io mpangalatra io. Nampita ny loharanom-baovao tamin’ny mpitandro filaminana miasa eto Antananarivo avy hatrany ny polisy miasa ao Mananara Avaratra. Nan­drindra ny fiaraha-miasa ny roa tonta ka nametraka pai­kady hisamborana ilay voarohirohy. Nandrasana kendry tohina teny amin’ny fiantso­nan’ny taksiborosy mampitohy an’i Mananara Avaratra sy Anta­nanarivo, Ambodivona, io lehilahy io. Tratran’ny polisy mia­sa eo anivon’ny CSPIII izy, ny marain’ny alahady 16 no­vambra. Naverina avy hatrany any Mananara Ava­ratra hatao fanadihadiana aloha ny hanolorana azy eo anatrehan’ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: