Misandratra hatrany ny Malagasy mpilalao. Araka ny fikarohana natao omaly, fantatra izao fa hanao fitsapana ao amin’ ny klioban’ny Fc Nantes diviziona voalohany ao France, i Bono, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Raha ny vaovao navoakan’ny Disciples Fc tao amin’ny pejiny, efa tonga ao amin’ny ivotoeram-piofanan’ny FC Nantes i Bono. Hanao fitsapana mandritra ny iray volana ao amin’ity klioba matihanina ity, ny tenany. Dingana lehibe ho an’ny baolina kitra malagasy izao sy ho an’i Bono manokana. Manatevin-daharana manokana ny fanohanana azy i Faneva Ima, kapitenin’ny Barea teo aloha, ary nanampy tamin’ny fandehanany mankany ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Ampahafantarina ihany fa anisan’ireo mpilalao nisongadina nandritra ny Chan 2024 farany teo i Bono, ary manavanana azy ny toerana vodilaharana havia. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa efa nilalao tao amin’io klioba frantsay Nantes Fc io, i Faneva Ima Andriatsima.
Fitia Randria




