Voasambotra, taorian’ny vela-pandrika nataon’ny OPJ, polisin’ny rano sy ala, eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy (MEDD), omaly, ny vehivavy iray mpivarotra sokatra ao amin’ny tambajotra sosialy. Efa narahi-maso andro maromaro ny tenany noho io teti-dratsy io ka izao tratra izao niaraka tamin’ny biby arovana nefa saika hamidiny. Hatolotra ny fitsarana avy hatrany izy aorian’ny fanadihadiana azy sy hamantarana ireo mpiray tsikombakomba aminy ary ireo tambajotra mety ao ambadik’ity raharaha ity. Marihina fa voasokajy ao anatin’ny tovana voalohan’ny Cites ny sokatra. Voararan’ny lalàna malagasy sy ny lalàna iraisam-pirenena ny fihazana, famarotana, fitaterana, fihinanana ary fanondranana sokatra. Noho izany, mahavoasazy enim-bolana hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina ny fandikana izany. Mbola arahina lamandy 10 hatramin’ny 200 tapitrisa Ar. Nilaza ny minisitera fa tsy hilefitra velively amin’ireo mbola minia mandika ny lalàna mahakasika ny biby sy zavamaniry arovana eto Madagasikara.
Henintsoa




