INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanamafisana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony, amin’ny alalan’ny fanomezana fahazoan-dalana ireo lalam-piofanana manaja ny fepetra takina. Lalam-piofanana miisa 166 tamin’ireo antontan-taratasy 523 nodinihina nandritra ny CNH no nahazo fankatoavana avy amin’ny Mesu­pres, araka ny tatitra tamin’ny tombana natao ny 17 novambra 2025.

Natao ny tombana mialoha ho an’ny fana­di­nana Bakalorea 2025. Hotanterahina rahampitso izany, iarahana amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny fanadinana. Maro ireo ilana fanarenana sy ezaka amin’ ny fanatsarana ny fanadinana sy fandavorariana
izany.

Teknisianina 19 avy amin’ny rafitra samihafa no manaraka fiofanana momba ny Insémination artificielle amin’ny omby. Mamaly ny filan’ny firenena sy miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana ny fihariana ny fiofanana. Manampahaizana avy amin’ny Agence internationale de l’énergie atomique (AIEA) sy mpikaroka avy amin’ny Fofifa-DRZVP no mampiofana.

Partager sur: