Notontosaina ny 8 hatramin’ny 16 novambra lasa teo ny fifaninanana niadiana ny “Trophée Magnitry Danse 5”, taranja dihy ara-panatanjahantena, natao tany Diego. Norombahin’i Nahary sy i Ezra ny fandresena.
Ny mpandray anjara avy any Antsirabe, nahitana an’i Nahary sy i Ezra, no nandrombaka ny fandresena tamin’ity indray mitoraka ity. Laharana faharoa i Duval’s sy i Mounira, avy any Mahajanga ary teo amin’ny laharana fahatelo i Ruchilin Olivier Isaac sy Maman Faris Ruchina, avy ao Diego. Nahitana talenta tena niavaka ity andiany fahadimy ity, indrindra nisy ireo mpandray anjara azo lazaina ho vao misandratra. Tsiahivina fa mpifaninana nahitana couple 8 avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy no nandray anjara tamin’ity “Trophée Magnitry Danse 5” ity, ka nahatonga solontena tamin’ izany ny avy any Fianarantsoa, Antsirabe, Toamasina, Mahajanga, Antananarivo, Nosy Be ary ny mampiantrano. Ankoatra ny fifaninanana toy izao, paikady apetraky ny Federasionina malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena, amin ‘izao, ny fampitomboana ny traikefan’ ny mpitsara. Noho ny fahatsapana ny fiakaran’ny lentan’ny dihy ara-panatanjahantena eto Madagasikara sy any ivelany no anton’izany, araka ny nambaran’ny filohan’ny FMDSS, Randrianarisoa Rijamanitra. Mitety faritra manatanteraka fampiofanana ho fanamafisana izany, araka izany, ny federasionina, ka anisan’ny efa nisitraka io fampiofanana io ny ligin’i Vakinankaratra, Atsinanana ary Boeny. Mbola tsy maintsy hisitraka izany avokoa ireo ligy hafa rehetra mba hitovian’izay lenta izay.
Mi.Raz




