« FIBA Africa Cup 3×3 » : Vonona amin’ny fanohanana ireo mpiara-miombon’antoka

Anatin’ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja basikety 3×3, hotanterahina eto Madagasikara, ny 5 hatramin’ny 7 desambra amin’izao fotoana izao ny FMBB.

Vonona hifanohana amin’ny Federasionina malagasin’ny basikety ireo mpiara-miombon’antoka ma­ro­be, raha ny nambaran’izy ireo teny Andraharo, omaly. Noton­to­saina omaly ny fanehoana ny sary fampahafantarana sy izay rehetra mifandraika amin’ny fikarakarana ny fifaninanana. Anisan’ny naneho izay fahavononana izay ny Yas Madagas­car izay nilaza fa hifanohana amin’ny fahombiazan’ity fifaninanana goavana hatao ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasi­na, afaka 16 andro, ity. Tsiahi­vina fa ekipa 24 no handray anjara (14 ao amin’ny sokajy lehilahy, 10 ao amin’ny sokajy vehivavy). Tafi­ditra anatin’ny fi­faninanana ma­nan-danja amin’ny fiadiana ny tapakila ho an’ny lalao olympika 2028 hatao any Los Ange­les izany. Ankoatra izay, fifanintsanana ho amin’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany ihany koa ity “Fiba Africa Cup 3×3” ity. Ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay no mitazona ny anaram-boninahitra amin’izao fotoana izao, na ny sokajy lahy, na ny vavy. Vonona ny mbola hitazona izany izy ireo. Mizotra araka ny tokony ho izy ihany koa ny fanomanan-tena ataon’ireo mpilalao. Mbola misy mpilalao 10 avy isan-tsokajy manaraka ny fampivondronana eto Antananarivo, hatreto. Misy hatrany ny sivana mialoha ny hamoahana ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ity “Fiba Africa Cup 3×3” ity.

Mi.Raz

Partager sur: