Ho fiatrehana ny fahavaratra : Raikitra ny asa tanamaro ao Toamasina

Amin’ny lafiny roa samy hafa. Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy tetsy amin’ny la­kandrano Andronomadio, parisela 11/42, ny asa tanamaro. Ifanohanan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihin’ny minisitra Raha­rinirina Sidonie, sy ny kaominina ambonivohitr’i Toamasi­na, tarihin’ny ben’ny Tanàna, Andria­fa­no­mezantsoa Alain, ny asa. Voalohany, natao ho fanohanana ara-tsakafo sy vola ho an’ireo marefo ara-pivelomana eny anivon’ny fokontany izany. Fa­haroa kosa natao hitsinjovana sahady ny fotoam-pahavaratra noho ity fokontany ity mora dibo-drano.
Nambaran’ny minisitra fa miisa 600 ny olona mandray izay tambiny izay ary haharitra 20 andro ny asa. Mihoatra izany nefa ny mpandray anjara ka finiavana sy tolo-tanana no an’ny sasany, toy ny zandary sy ny Tafika tonga maro ao an-toerana. Fanombohana ihany ity fa betsaka ny hanohizana azy amin’ny manaraka, handraisan’ny hafa indray asa atakalo vary sy vola.
Nohamafisin’ny ben’ny Ta­nànan’i Toamasina fa fo­toana izao hilazana fa efa nivoaka ny lalànan’ny fahadiovana sy fidiovana. Tsy ho ekena intsony, araka izany, ny fanariam-pako eny ambany tetezana, an-dalana, ny fisavana ny fa­hadiovan’ny tokotany ary hisy fanesorana trano ambony ta­tatra

Sajo

Partager sur: