Miomana hiatrika ny rivodoza, amin’izao, ny ekipan’ny BNGRC. Mijery ny fametrahana ireo fitaovana hoentina mamonjy olona sy ny sakafo amin’ny toerana ahina, araka ny vinan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, izy ireo. Mitondra tantsoroka ho an’ny minisiteran’ny Mponina sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, amin’ny alalan’ny Apipa, koa ity Birao mandrindra ny tandindon-doza sy ny loza ity momba ny fanohizana ny fanadiovana ireo lakandrano. Zaraina sakafo ireo mpanao ny asa eny ifotony ho tambiny.
Miroso amin’ny fanatanterahana ny fanapahana nandritra ny fihaonambe, mizotra amin’ny fampanarahan-dalàna ka hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny dokotera mpitsabo nify – mpanao solonify ary ny assistant(e) dentaire nahavita fiofanana, ny Holafitra. Izay miditra amin’ny sehatra ara-dalàna dia hanana karatra manokana ary izany no ampiasaina amin’ny sehatra ilana azy toy ny fahafahana mividy fanafody sy fitaovana hanaovana nify na solonify. Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny manam-pahefana isan-tsokajiny ny Holafitra (Onos) manao fanentanana, fampitandremana ary fanenjehana. Manana hatramin’ny faran’ity volana novambra ity ny tsirairay hiditra amin’ny sehatra ara-dalàna.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Campus Ambondrona, ny fanombohana ny asa fametrahana «forage» ho an’ny Oniversiten’i Mahajanga. Fotodrafitrasa hamahana ny olan’ny rano ho an’ny mpianatra ao amin’ny campus Ambondrona. Naharitra telo andro ny asa ary ny Orinasa China Geo-Engineering Corporation no manatanteraka izany.




