Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity herinandro ity ny fampiofanana ho an’ireo teknisianina 19 avy amin’ny rafitra samihafa, momba ny « insémination artificielle » amin’ ny omby, eo ambany fiahian’ny tetikasa « AIEA Mag5029 » miaraka amin’ny fanohanana avy amin’ny Food Security Résilience Project (FSRP) sy ny Fofifa-DRZVP.
Nanokatra izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Salava Julien. Nohamafisiny fa manohana hatrany ny fikarohana mamaly ny filan’ny firenena sy miantraika mivantana amin’ny fampandrosoana ny minisitera. Porofon’izany ity tetikasa ity. Manampahaizana avy amin’ny Agence internationale de l’énergie atomique (AIEA) sy mpikaroka avy amin’ny Fofifa-DRZVP no manome ny fanofanana, izay haharitra hatramin’ny 28 novambraho avy izao.
Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo teknisianina amin’ny fampiharana ny teknolojia maoderina hanatsarana ny kalitao sy ny vokatra amin’ny fiompiana. Hitondrana vahaolana amin’ny ady amin’ny hanoanana sy ny tsy fanjarian-tsakafo, amin’ny alalan’ny fikarohana sy ny fampandrosoana ihany koa.
Vonjy




