Jiolahy nitam-basy tratran’ny polisim-pirenena miasa ao Toliara, omaly. Nanafika mpiasa amin’ny toerana fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday, Cash point, tao Tsienengea, ny olon-dratsy roa, ny talata 18 novambra lasa teo. Hamonjy fodiana, ny harivan’io andro io, ilay ramatoa kinanjo narahin’ireo mpanao ratsy. Nambanan’izy ireo tamin’ny basy ka voaroba ny vola teny aminy. Nanatri-maso ny zava-nisy ny fokonolona saingy nandositra ireo jiolahy. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ao an-tampon-tanàna ny tsara sitrapo. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny ekipan’ny polisy. Voasambotra tao Bazary Be ny lehilahy iray anisan’ireo nahavanon-doza. Nosavaina izy ka nahatrarana basy, niampy bala maromaro. Nihazona ny vola nangalariny koa ilay lehilahy. Naverina tamin’ilay mpiasa ny vola voaroba. Karohina ny naman’io jiolahy io.
Tsiferana R.




