« PNA LTE II » 2025-2040: Haravona ny fakan-kevitra momba ny ady amin’ny fampiasana ankizy

Tanterahina eny Andrainarivo ny atrikasa fandravonana ireo fakan-kevitra natao tany amin’ny faritra mahakasika ny ady amin’ny fampiasana ankizy tsy ampy taona “PNA LTEII 2025-2040”.

Tanjon’ny «PNAII 2025-2040” ny hamaritra ireo asa mivaingana ho an’ ny ady mahomby amin’ny fam­piasana ankizy eto Mada­gasikara. Navoitran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana, Jaosolo Gelase, ireo teboka telo ifotoran’ny fanovana sy fanatsarana. Voalohany amin’izany ny fanavaozana ifotony izay imasoana amin’izao fotoana. Tsy midika velively ho fialana amin’ny lalàna manan-kery ka ha­naovana bontolo na fanapahan-kevitra tsy mifanaraka amin’ny lalàna izany. Tokony hanaja ny fandraisany andraikitra ny governemanta mala­gasy, na eo amin’ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena. Eo koa ny fifanarahana iraisam-pirenena neken’ny firenena momba ny ady amin’ ny fampiasana ankizy sy ny fi­fanarahana izay hita sy voaraikitra ao amin’ny fehezan-dalàna vaovaon’ny asa.
Navoitra ihany koa ny ady amin’ny fampiasana ankizy, izay mifamatotra amin’ny lafin-javatra samihafa, toy ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny fisitrahana fanabeazana, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fidiram-bola maharitra eo amin’ny fianakaviana.
Mikendry ny hanandratra ny zon’olombelona fototra ho an’ny tombontsoa ambony indrindra ho an’ny ankizy malagasy rehetra Ny PNA LTE II.
Mampivondrona ireo sehatra rehetra marolafy toy ny avy amin’ny minisitera isan-tsokajiny ny masoivohon’ny Firene­na mikambana, ny sehatra tsy miankina, ny fikambanana maro, ny ONG ary ny fiarahamonim-pirenena.
Raha ny zava-misy eto Ma­dagasikara, maro ireo ankizy tsy ampy taona no misehatra sahady amin’ny asa. Misy amin’izy ireny no manao asa mamoafady eny amin’ny toerana mitera-doza. Ny ankamaroany manao mpiasa an-trano ary iharan’ny fanararaotana isan-karazany.

Tatiana A

Partager sur: