Natolotry ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Dr Ramiarison Herinjatovo, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana (PLFI 2026). Tafakatra hatrany amin’ny 26 799,7 miliara Ar, ny tetibola enti-manatanteraka ireo tetikasa.
Misongadina ao anatin’izany ny fandaniana ataon’ny fanjakana sy ireo andry ara-toekarena. Manazava ny vola miditra, indrindra avy amin’ny hetra sy ny haba amin’ny fanafarana sy ny fanondranana entana ihany koa ny PLFI.
Nohamafisin’ny minisitra fa mifototra amina rafitra lehibe miisa enina ny PLFI 2026, dia ny fisitrahana ny herinaratra sy ny rano fisotro madio, ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny famoronan’asa sy ny fampandrosoana mirindra. Tafiditra ao anatin’izany ny fanarenana sy ny fanavaozana hapetraky ny fanjakana. Nohamafisina ny politika ara-ketra izay mifantoka amin’ny fampitomboana vokatra sy ny fitsitsiana ny fandaniana. Misongadina manokana ny hampakarana 4,8% ny tahan’ny harinkarena faobe ho an’ny taona 2026, amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena, izany hoe, hampitomboina ny velaran-tany hambolena sy ny toeram-pambolem-bary (+7,4%). Hampakarina 3,3% ny rafi-pamokarana faharoa izay mifototra amin’ny fampiroboroboana ny indostria sy ireo tetikasam-pampandrosoana samihafa. Hotohizana ny fanamboaran-dalana sy ny fanarenana ireo lalam-pirenena. Ho azo avy amin’ny sehatry ny fizahantany (+15%) amin’ny rafi-pamokarana fahatelo kosa ny enti-mampandroso ny toekarena. Vinavinaina hidina manodidina ny 7,10% kosa ny vidim-piainana eto Madagasikara.
Fidiram-bola
Kendrena hiakatra 6 221,7 miliara Ar ny hetra, tombana izay miankina amin’ny fitohizan’ny fampandrosoana ny asa atao araka ny fepetra apetraka. Vinavinaina hahatratra 5 026 miliara Ar ny vola miditra amin’ny fadintseranana izay hankinina amin’ny fanatsarana ny lalàna mba hifanaraka amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ny fanamafisana ny fifehezana. Misongadina ao amin’ny PLFI 2026 ny fitsitsiana. Hisy ihany koa ny findramam-bola avy any ivelany raha misy tsy fahampiana amin’ny tetibola enti-manatanteraka ireo tetikasa hanohanana ny fampandrosoana sy ny famokarana eto Madagasikara.
Henintsoa




