TSELATRA

Lehilahy iray maty nilatsaham-potaka tany Behenjy, distrikan’Ambatolampy, afakomaly hariva. Tra-doza teo am-piandrasana omby tany an-tsaha izy, raha ny fanazavana voaray. Avy ny orana tamin’io fotoana io, nilatsaka sy nirefotra tampoka ny varatra ka nahavoa azy. Novonjena nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. May ny tendany sy ny lamosiny ary nisintona niakatra koa ny lelany, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo.

Zazalahy vao 8 taona monja hita faty tao anaty ranontany amin’ny fokontany Ambohipeno, Antsirabe, omaly. Tsy hita afakomaly, nanomboka tamin’ny 3 ora, tany ho any izy ary nifampitadiavina. Nirahina nandeha nanatitra lamba tany amin’olona ny antony nivoahany ny trano, saingy izao hita faty izao. Niaraka tamin’ny namany maromaro izy saingy tsy nety niteny izay nisy an’io ankizilahy io ireo namany. Olona fahefatra namoy ny ainy teo amin’ny manodidina izy.

Hotsaraina amin’ny talata 25 novambra hoavy izao ireo voampanga amin’ny raharaha famonoana an’i Faneva, tovolahy 22 taona, tamin’ny 09 avrily 2025 lasa teo. Hita faty tao Amparihivato, Fokontany Anosivola, izy. Noho ny disadisam-piarahamonina sy lonilony ny antony namonoana azy. Nisokatra ny fanadihadiana ka lehilahy miisa fito no nidoboka any Tsiafahy, vehivavy roa hafa nalefa eny Antanimora.

Voasambotry ny Dinabe, tany Mitsinjo, fokontany Ankilibe, kaominina Betanimena, distrika Toliara II, omaly maraina, ny lehilahy roa nangalatra zaza roa. Efa herinandro no nitondran’izy ireo ireo zaza. Efa samy nikaroka ireo zaza ireo ny mpitandro filaminana sy ny Dinabe ka izao tratra tao Mitsinjo io izao. Efa naverina eny amin’ny Ray aman-dreniny eny Ankilibe moa ireto zaza.

Partager sur: