Maty tsy tra-drano ny ramatoa iray, omaly, tetsy Ankadimbahoaka. Main’ny herinaratra amin’ny andrin-jiro teo akaikin’ny toeram-pivarotany izy. Nalemy kosa ny ilan’ny vehivavy iray, nikasa hanavotra azy.
Namoy ny ainy, main’ny herinaratra tetsy amin’ny fokontany Ankadimbahoaka Andrefana, ny ramatoa iray manodidina ny 40 taona, omaly tokony ho tamin’ ny 12 ora atoandro. Mpivarotra kitay menaka ary manana tsena eo akaikin’ilay andrin-jiro izy. « Tamin’ny fotoana nakana aina, niankina sy naharay ilay andrin-jiro izy ka may”, hoy ny fitantaran’ny mpiara mivarotra aminy.
Niezaka nanala sy nanavotra azy ny vehivavy iray rehefa nahita azy niraikitra tamin’ilay andrin-jiro. Nosintomin’ny herinaratra koa ity vehivavy nanavotra ity nandritra izany. Niha nalemy ny ilany havia ka niala, raha ny fanazavana voaray. “Tsy naharitra ela, teo amin’ny segondra vitsy teo no nahamay azy sy nisintoman’ny herinaratra azy teo amin’ilay andrin-jiro dia efa tsy nihetsika intsony”, hoy hatrany ny fanazavan’ny vavolombelona nanatri-maso. Nezahin’ny olona navotana sy nentina tany amin’ny hopitaly haingana saingy tsy tana ny ainy. Efa eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny razana nanomboka, omaly.
Tokony ho soloina andrin-jiro hazo
Andrin-jiro vy mitondra herinaratra no nahafaty olona. “Misy afo mitselatselatra foana eny an-tampon’ireo tariby mitondra herinaratra ireo, rehefa fotoan’ny orana tahaka izao”, hoy ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana. Manoloana izany, mangataka ny hanoloana azy io ho andrin-jiro hazo ny mponina mba hisorohana ny loza tahaka izao.
Voalazan’ny olona nanaovana fanadihadiana teny an-toerana fa efa nahafaty olon-kafa izy io taloha. Amoron-dalana, lalan’olona no misy ilay andrin-jiro. Atahorana ny hamono olona indray ilay izy raha sanatria tsy amboarina.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny sefo fokontany eny an-toerana sy ny mpiasan’ny Jirama.
Mino




