“CAN 2027” : Mety hiova ny lalàna amin’ny fifanintsanana

Mety hiova ny dingan’ny fifanintsanana amin’ny “Can 2027”, araka ny fikarohana natao omaly. Ireo laharana voalohany sy faharoa telo mendrika indrindra ihany no mahazo tapakila mivantana ary mandalo lalao sakana ireo fire­nena faharoa ambiny.

Efa mandeha ny resaka any ivelany fa hisy ny fa­novana ny làlana amin’ ny dingan’ny fifanintsanana handraisana anjara amin’ny “Can 2027”, izay hatao any Kenya, Tanzanie, Ouganda, ny volana jolay 2027. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy navoakan’ny Kaonfe­derasiona afrikanina ny ba­lina kitra (Caf), mahakasika izany, saingy efa manaparitaka ireo mpikirakira vaovao any ive­lany, toa ny Afrik Foot, sy ny GuinéeNews, Foot Africa, ny talata lasa teo.
Raha ny fanazavana azo, mety hozaraina anaty von­drona 13 ireo firenena mandray anjara, ka hisy sokajy ahitana ekipa telo sy efatra mifandona ao anatiny. Ireo izay voalohany isam-bondrona sy ireo telo laharana faharoa tsara indrindra no hahazo ny tapakila hiatrehana ny Can avy hatrany. Miatrika lalao sakana kosa ireo firenena miisa folo nahazo ny laharana faharoa ambiny, ka izay dimy tafavoaka amin’ny fihaonana mandroso sy miverina no mandray anjara.
Ho fantatra ny 19 desambra ho avy izao, any Rabat, ny valin’izany rehetra izany sy ireo firenena hiray vondrona amin’ity ady tapakila hiatre­hana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2027 ity.

Tsy maintsy voalohany

Azo lazaina ho sarotra ho an’ny Barean’i Madagasikara ihany ity fanovana napetraka ity.

“ Mety hanahirana ny ekipa nasionaly malagasy ny fiovan’ ny fifanintsanana satria raha vao miray vondrona amin’ireo firenena goavana, toa an’i Maroc, Sénégal, Côte d’Ivoire, …isika, efa fantatra fa ireo no voalohany, raha ny lojika no jerena”, hoy Razafima­monjy Fenosoa, mpamakafaka bao­lina kitra. Tsy maintsy maka laharana voalohany, araka izany, ny Barea raha tian’izy ireo ny hanao Can. Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’ny farany teo, ireo firenena roa voalohany no nanao Can 2025, saingy tany amin’ny laharana farany, vondrona A, no nisy ny ekipam-pirenena Barea.

Fitia Randria

Partager sur: