Nanomboka ny taona 2024 no niara-niasa amin’ny masoivoho britanika ny ONG Teach for Madagascar. Hamerina ny fitiavan’ny mpianatra mamaky boky sy mampianatra mamaky teny ny tetikasa “Let’s read” ataon’izy ireo. Efa nosantarina ny taona 2019 ny tetikasa amin’ny famokarana ny Diary nofy I ho an’ny mpianatra eny amin’ny EPP.
Natolotra omaly, teny amin’ny trano fonenan’ ny masoivoho britanika eto amintsika, eny Tsarasaotra, ny boky fahatelo, Diary nofy III, miresaka ny tontolon’ ny biby sy ny zavaboahary.
Mampiavaka azy ity ny tantara enina miresaka momba ny fitiavana ny tontolo, ny fikojana azy ary ny ady amin’ny doro tanety izay niarahana nanoratra tamin’ny minisitry ny Tontolo iainana teo aloha, Max Andonirina Fontaine, sy Eileen Akbaraly ary ny vadin’ ny masoivoho britanika miasa eto amintsika, Katy Lynch. Nandrindra izany ny mpanoratra Rolling Pen, raha nandravaka tamin’ny sary kosa Catmouse James, araka ny fanazavan’ny mpandrindra ny “Let’s red” ao amin’ny ONG Teach for Madagascar, Rafetoson Olivia.
Misy sary ny boky ary mizara andininy telo ho an’ny kilonga madinika: T1 T2; T3 T4; ary ny ho an’ny kilasy T5 eny amin’ny EPP.
Zaraina boky ny eny amin’ ny EPP ka misy ny mpilatsaka an-tsitrapo tonga isan-kerinandro mampianatra mamaky teny sy mampilalao hanamafisana ny hafatra ampitain’ny boky. Manana fifanarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena rahateo ny ONG izay nohavaozina izany hahazoany miasa eny ifotony. Mifanaraka amin’ny tanjon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana koa ny famokarana ny boky.
300 isan-taona ny EPP tratrarina amin’ny faritra 23 iasana (boky 21 isaky ny EPP no zaraina), misy mpilatsaka an-tsitrapo tonga tsy tapaka mamaky tantara sy mampianatra mamaky teny. Nanomboka ny taona 2019 ny boky Diary nofy 1, nitohy tamin’ny Diary nofy 2, ny taona 2023-2025. Diary nofy 3, izy ankehitriny, ampiasaina amin’ny taom-pianarana 2026-2027, nampahafantarina omaly.
96% ny ankizy mahavita ny ambaratonga fototra tsy mahafehy ny vakiteny, araka ny fanadihadiana navoakan’ ny Banky iraisam-pirenena ka taorian’ny taona 2019, nihatsara ny fahafehezana izany.
Vonjy




