Famokarana herinaratra: Maro ny loharanon’ angovo azo trandrahina

Ny Jirama hatrany no fantatra rehefa miresaka ny sehatra angovo eto Madagasikara. Maro nefa, hoy ny mpikirakira azy, ireo mpisehatra miara-misalahy amin’ny famokarana sy fampihodinana izany. Rano, masoandro, rivotra, ranomasina…

«Mbola ambany ny taham-pisitra­han’ny Malagasy herinaratra noho izy mitaky famatsiam-bola, manampy trotraka ihany koa ny fikirakirana antontan-taratasy samihafa », hoy ny mpitantana sy mpanorina ny kabinetra Phaos, Razanakolona Toki­niaina. Nambarany fa mbola ny 36% ny Malagasy no misitraka izany, ity farany izay miantoka ny andavanandron’ ny mponina sy ny fivelomany. “Misandrahaka amina sehatra marolafy, mifampiankina, ny rojom-pihariana angovo. Mpi­sehatra lehibe ao anatin’izany ny orinasa sy ny indostria. Izy ireo izay anisan’ny mandany hatrany amin’ny 55% ny famokarana vokarin’ny Jirama”, hoy Raherison Onja Michael, mpitantana ny kabinetra.
Ankoatra izay, nandroso soso-kevitra ireto manam-pahaizana ny tokony hampiarahana izany amin’ny fitaovam-pamokarana hafa toy ny rano, ny entona, ireo loharan’ angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro, mba ha­hazoana tombony maharitra.

Ambany
Mbola latsaky ny 40% ny angovo eto amintsika no voatrandraka, izay ilana fiaraha-mientan’ny sehatra rehetra ho fampiroboroboana izany. Ma­nana andraikitra goavana ao anatin’izay ny sehatra tsy miankina. Toy izany koa ireo matihanina sy manampahaizana ary mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola afaka hitondra ny fahaiza-manaony sy ny anjara birikiny hamahana ny olan’ny fama­tsiana herinaratra, raha ny fanazavana hatrany. Ankilany, tokony hanaraka ny fivoaran’ ny teknolojia ny fanjakana mba hananana tetikasa tsara sy mahomby ary maharitra.

Henintsoa

Partager sur: