Tratran’ny zandarimaria ny roa lahy tompon’antoka tamin’ny halatra moto teny amin’ny kaominina Alasora, afakomaly. Nitrangana halatra moto tao amin’ny fokontany Andavarangana Amboaroy, kaominina Alasora, ny 25 oktobra lasa teo. Very ka nifampitadiavan’ny tompony tamin’izany ny scooter iray marika “Cygnus”. Nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny lasibatra. Niroso tamin’ny fikarohana ny zandary. Telo andro taorian’ny fahaverezana, saron’ny zandarimaria teny amin’ny toeram-panadiovana fiara io moto nisy nangalatra io. Niova tanteraka anefa ny lokony saingy tsy nananosarotra ho an’ireo nisahana ny raharaha ny namantatra azy. Nandositra avy hatrany ilay lehilahy nitondra ny moto rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Nanohy ny fikarohana an’ity lehilahy nandositra ity ireto farany ka voasambotra ny 13 novambra lasa teo ireo mpanao ratsy. Nanokafana fanadihadiana ity farany. Nitoroka ny namany. Efa mpangalatra moto ikoizana izy roa lahy ary ravain’izy ireo ny moto halatra sasany. Amidiny tsikelikely ny kojakoja rehetra mba tsy hamantaran’ny tompony azy. Nahitana ireo ambin’ny kojakoja moto halatra efa nangalariny hatramin’izay tany amin’ilay jiolahy faharoa. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy roa lahy.
Tsiferana R.




