INDRAY MIJERY

Natao omaly ny lanonana fanombohana ny asa fananganana Lycée vaovao ao amin’ny kaominina Ambohibao Antehiroka, izay iandraiketan’ny kaominina ao an-toerana. Etsy andaniny, tsy manaiky ny fananganana ity fotodrafitrasa ity ao anatin’ny faritry ny EPP ireo ray aman-drenin’ny mpianatra amn’io EPP io. Nanazava ny ben’ny Tanàna fa hiavaka tsara ny lycée sy ny EPP ka tsy hifangaro ny tokotany.

Efa misokatra 100% ny tolotra ara-pahasalamana rehetra ao amin’ny CHU GOB Befelatanana na ny hopitaly fiterahana etsy Mahamasina, nanomboka tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny fizahana fahasalamana, ny fampisafoana sy ny fanaovam-baksiny ary ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.

Nakatona omaly sy androany ny CEG Talata­maty noho ny fanadiovana tsy maintsy hataon’ny sekoly ialan’ny zavatra ratsy nampikorontana ireo mpianatra sasany tao, nitranga ny alarobia teo. Ambalavelona no nambaran’ny lehiben’ny Cisco fa nahazo ireo mpia­natra miisa 15. Nitabataba, tsy tompon’ny tenany ary mitsipatsipaka ireo mpianatra.

Partager sur: