Letisia : 20 000 taonina haondrana any Eoropa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tolakandro, tao Analamalotra, ny taom-piotazana letisia 2025, ho an’ny faritra Atsinanana. Tsara ny vokatra tamin’ity taona ity raha oharina ny tamin’ny teo aloha na eo amin’ny lafiny kalitao na eo amin’ny vidiny. Ankehitriny, lasa 2 150Ar ny kilaon’ny letisia raha toa ka 1 000Ar izany tamin’ny taon-dasa. Nilaza ny filohan’ny kaoperativa Ainga Miara-ma­miratra (AVM), Tody Ernest, fa «tsara ny vokatra tamin’ity taona ity, na ny vidiny na ny kalitaony, ary anisan’ny nampiavaka azy koa y fahafan­tarana mialoha ny vidiny». Hiakatra ihany koa ny vokatra haondrantsika mandritra ny taom-piotazana ka ny 20 000 taonina no hiditra eo amin’ny tsena eoropeanina. Ankilany, tonga nijery ifotony sy nihaona tamin’ireo tantsaha mpamboly tao Ivoloina-Toamasina ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana (MCC), Andriama­dison Haingotiana, omaly. Ni­je­ry ny orinasa mpanondrana letisia Emexal izay niharan’
ny haintrano ny marainan’io iha­ny koa ny tenany.
Ankehitriny, efa tonga ao Toamasina ny sambo Atlantic Klipper haka ny vokatra sy hitondra izany any amin’ny tsena any ivelany. Nilaza ny fitondram-panjakana fa hapetraka ny fizarana ara-drariny ny fatra ho an’ireo mpandraharaha rehetra. Atao izany hanohanana ny orinasa madinika sy salantsalany. Dingana izay tafiditra ao anatin’ny paikadim-panarenana ny toekarena, mikendry ny hampitombo ny famokarana eto an-toerana, hananganana asa sy hanatsarana ny fiainan’ny mponina. Marihina fa mpamokatra letisia fahadimy maneran-tany i Madagasikara. Voa­lohany aty amin’ny ila-bolan­tany atsimo ary mpamatsy voalohany ny Vondrona eoropeanina.

Henintsoa

Partager sur: