Naka an-keriny zaza 3 taona: Voasambotra ireo nahavanon-doza

Olona roa, lehilahy sy ve­hivavy niara-notanan’ny mpi­tandro filaminana hatao famotorana, nanomboka afako­maly, taorian’ny fakana an-keriny zazavavy vao telo taona monja tao Amba­toboeny. Na­la­in’ny olon-dratsy io zaza io ny 27 oktobra lasa teo. Nifa­mpitadiavan’ny fianakaviany saingy tsy hita popoka nano­mboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nametraka fitarainana teny anivon’ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreniny. Naharay hafatra miafina avy amin’ny olona tsy fantatra anefa izy ireo. Naparitaka tamin’ny alalan’ny onjam-peo ny ombay mitady. Nanohy ny fikarohana ilay zaza ny tomponandraikitra. Hita tao amin’ ny tanànan’­ Antafia ity farany, tamin’ny 1 ora sy sasany. Tapa-tanana ilay zaza sady niharan’ny daroka. Nitaky vola tamin’ny fianakavian’ny zaza ireo mpa­ka an-keriny. Nanao ra­ma­tahora ireo mpanao ratsy ary nanery ny ray aman-drenin’ ny zaza hanome ny lelavola tadiaviny. Niara-niasa hatramin’ny farany tamin’ny zandarimaria kosa ny fianakavian’ny zaza. Iray volana taty aorian’ ny tranga, nahitam-bokany ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana. Nosambo­rina ireo nampiahiahy ary voamarina tao anatin’ny finday nampiasain’izy ireo ny fisian’ ny hafatra miafina nanaovany ny asa ratsy. Nentina natao famotorana ireo olona roa ireo ary hatolotra ny fampanoa­vana.

Tsiferana R.

Partager sur: