Jiolahy 200 voasambotry ny Corps urbain Tsaralalàna, tarihin’ny Commissaire de police Sorodany Fritz Hermann tato anatin’ny iray taona monja. Tamin’ity herinandro ity , 10 ny mpanendaka sy olon-dratsy voasambotra. Tsy mitsitsy an’ireo jiolahy sy tontakely mamotika fiarahamonina ny Polisim-pirenena, indrindra ny ao amin’ny Corps Urbain, ahitana ny CUI, ny UIR sy BFP Tsaralalàna.
May ny orinasa Emexal, mpanondrana letchi any Antetezambaro Toamasina II, omaly. May kila forehitra tsy nisy noraisina vokatr’izany io orinasa io. Tombanana ho iray miliara ariary ny tombam-bidin’ny fahasimbana vokatry ny fahamaizana. Efa misokatra ny fanadihadiana, heverina ho fandoroana niniana natao ny anton’ny loza.
Mihemotra ny zoma 09 janoary 2026 hoavy izao ny fe-potoana farany handraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo tovolahy sy tovovavy maniry hiditra ho mpianatra ho Agent de Police, taona 2025. Hotanterahina ny sabotsy 31 janoary sy alahady 01 febroary 2026 kosa ny fanadinana dingana voalohany. Manentana ny rehetra ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka mba hanaja ireo fotoana voatondro ireo. Mahatratra 500 isa ireo mpianatra horaisina.
Nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana ny raim-pianakaviana iray niharan’ny valifatim-badiny, taorian’ny fiakarany fitsarana, afakomaly. Notorian’ny vadiny noho ny filazana fa nanolana ny zanak’izy ireo, 13 taona, tany Sambava, ny 2024 lasa teo, izy io. Nanda ny fiampangana azy io lehilahy io ary nanazava fa tsy nanao izany toetra mamoafady tamin-janany izany. Nasainy nijanona tamin’ny asa fivarotan-tenany ilay ramatoa vadiny saingy ady no vokany.




