Tsipy kanetibe tompondakan’i Afrika : Hanatevina ny ekipan’ny Pac i Mirija (Fakr)

Nanainga omaly ny eki­pan’ny Pac (Pétanque Ampi­ta­tafika club), hiatrika ny an­diany faha-10 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2025. Fifaninanana hotante­rahina ao Nouakchott, renivohitr’i Mau­­ritanie, manomboka raha­m­pitso sabotsy 22 hatramin’ny alakamisy 28 novambra ho avy izao.
Raha tsiahivina, nandrombaka ny voalohany tamin’ny fifaninanam-pirenena ity klio­ban’Ampitatafika ity, izay misy an’i Mamy Ronaldinho sy i Balôty ary i Salohy. Mpilalao fahefatra hanampy azy ireo i Mirija (Fakr). Ny ekipa no nisafidy azy mba hanatevina azy ireo. Araka ny nambaran’ ny filohan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), hiantohan’ny ekipa ny mpilalao fahefatra.
Hanana ny lanjany goavana ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Raha ny fantatra, fiadiana anaram-boninahitra fotsiny ny ataon’ny Mala­gasy fa efa tafita avy hatrany amin’izany fihaonana an-tampony izany i Madagasikara. Tsiahivina fa sambany hampiantrano ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, i Mauritanie. Ankoatra ny lalao ho an’olon-telo miaraka, zava-baovao amin’ity fifaninanana ity ny fisian’ny fifaninanana ho an’olon-tokana, olon-droa mi­a­­raka sy ny “tir de précision”.

Tompondaka

Partager sur: