Zon’ny ankizy : Maika ny fijerena ny sakafo sy ny fanabeazana

« Efa 30 taona mahery ny naneken’i Madagasikara ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zon’ny ankizy raha ny ara-taratasy (reforme légale), ny fanatanterahana isan’andro mbola olana ». Io ny nambaran’ny filohan’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena miaro ny ankizy (PSCFE), ny maître Rahari­narivonirina Maria, omaly, teny amin’ny kianja Alarobia. Manao antso ny fikambanana miisa 66 mpikambana ao anatin’ny Vovonana ny hijerena haingana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fandriampahalemana ary ny fanabeazana manana kalitao ho an’ny an­kizy rehetra. Tena maika ireo sehatra telo ireo ary tsy mitsahatra manao adisisika ho fiarovana ireo zo fototra ny fi­kambanana. Anisan’ny nahazo fanasana hanatrika ny fikaonandoham-pirenena karakarain’ny Fanavaozana ny Repo­blika ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena ka hitondra soso-kevitra maro amin’izany.
“Ho an’ny Kaominina An­tananarivo Renivohitra, mpianatra 50 000 no sahaniny eny amin’ny EPP ka jerena ny fahasalamany, ny fiarovana ny zony sy ny fianarany ary ny sehatra hafa”, hoy ny ben’ny Tanàna Ramanantsoa Hari­lala. Hatramin’ny faran’ny vo­lana, misy hetsika maro hanamarihina ny fanajana ny zon’ ny ankizy. Anisan’izany ny fitondrana ny ankizy hitsidika ny toerana manan-tantara sy vakoka misy eto an-dRenivo­hitra. Eo koa ny fanentanana amin’ny famakiana boky eny amin’ny tranomboky fito ato anatin’ny kaominina. Ma­nampy ireo ny fijerena sarimihetsika ka omena sehatra ny ankizy amin’ny fampahafan­tarina ny zony sy hizarany ny fanantenany ho amin’ny hoavy.

Vonjy

Partager sur: