Fitaovam-piadiana mahery vaika fampiasan’ny olon-dratsy nogiazan’ny zandary ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Basy mitotaly 41 azo tao anatin’ny herintaona.
Miasa andro aman’alina, mitandro hatrany ny fandriampahalemana no vaindohan-draharaha ho an’ny zandarimaria miasa ao amin’ny faritra Amoron’i Mania. Anisan’ny vokatra goavana azon’izy ireo nandritra ity taona ity ny fanangonana fitaovam-piadiana fampiasan’ny dahalo mahatratra hatramin’ny 41 isa. Nifandona tamin’ny dahalo tany anaty kizo maro samihafa sy nanao fanentanana ny fokonolona hanatitra ny fitaovam-piadiana tsy ananana taratasy ara-dalàna nandritra ny taona ny zandarimaria. Niangona tsikelikely nanomboka ny volana janoary lasa teo ny fitaovam-piadiana nogiazan’izy ireo. “Misy amin’ ireo fitaovam-piadiana nogiazana no nisy nanatitra an-tsitrapo raha toa ka azo nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo ny sasany”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Amoron’i Mania, ny kolonely Andriamijoro Jean Charles. Basy mahery vaika, AK 47, ny ankamaroan’ireo fitaovam-piadiana ireo.
Ady amin’ny asan-dahalo
Nanatanteraka fivoriana niarahana ny OSPJ sy ny OPJ eo anivon’ny vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Amoron’i Mania, omaly. Hanatsarana ny fomba fiasa no tanjon’izy ireo. Lohalaharana ho an’ny zandarimaria miasa ao an-toerana koa ny fanentanana hatrany ny vahoaka eny ifotony, hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny hery fiarovana sy ny vahoaka. Hisy ny ezaka ataon’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny zandarimaria hamongorana ny asan-dahalo, ka hahatonga an’Amoron’i Mania ho mandry fahalemana. Tsiahivina, anisan’ny nalaza ratsy ary voasokajy ho faritra mena tamin’ny asan-dahalo ny toerana sasan-tsasany tao amin’io faritra io.
Tsiferana R.




