Hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony tetsy Ampitatafika, omaly tamin’ny 7ora sy sasany maraina, ny raim-painakaviana iray 36 taona. Efa nentin’ny rano avy any ny razana ary teny Ampitatafika vao hita. Heverin’ny olona fa ondana na zavatra hafa izany hay olona efa maty natsingevan’ny rano. Tonga teny an-toerana nahitana ny razana ny avy amin’ny zandary miasa ao Ampitatafika, niaraka tamin’ny mpitsabo. Nahitana ratra tamin’ny lohany sy ny lamosiny ary teo amin’ny takibany io vatana mangatsiaka io, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Efa any amin’ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo sy ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana.
Tsy hita ny talata lasa teo
Nanomboka tsy hita sy tsy nody ao an-trano ilay lehilahy, ny talata alina lasa teo. Tsy nampilaza ny tsy fahitana azy tamin’ny fianakavian-dralehilahy ny vady andefimandriny, raha tsy ny alakamisy teo. Tamin’izay vao nikaroka io raim-pianakaviana io ny dadany sy ny rahalahiny. Efa nokarohina sy nanontaniana ny tany amin’ ny toeram-piasany. Voalaza, tamin’ izany, fa nandeha nody izy rehefa avy niasa toy ny mahazatra. Mbola tsy nampilaza ny fahaverezany tany amin’ny mpitandro filaminana kosa izy ireo tamin’izany, saingy izao hita faty izao. Manambady sy manan-janaka telo mianadahy ity lehilahy hita faty ity.
Efa misokatra ny fanadihadiana hahafantarana ny antony nahafaty an-drano ity farany.
Mino




