Baolina kitra – D2 National : Tsy raikitra ny lalao, nitokona ny mpitsara

Omaly 21 novambra ny daty voatondron’ny Federa­sioni­na malagasin’ny baolina kitra (FMF) hanombohan’ny fi­hodinana faharoa amin’ny fifaninanam-pirenena «D2 Na­tional». Tsy raikitra ny lalao ho an’ireo miatrika izany any Ma­hajanga. Nitokona ireo mpi­tsara lalao ary nilanja sorabaventy tao amin’ny Kianja Rabe­mananjara, tokony ha­naovana ny fifaninanana. Ta­kin’izy ireo ny handoavana ny tambin-karamany tamin’ny taon-dasa sy ireo mbola tsy voaloa.
Raha ny voalaza, mitentina 43 tapitrisa Ar eo ho eo ny volan’ireo mpitsara manerana ny Nosy tsy voaefan’ny Fede­rasionina malagasy, nandritra ny telo taona. Ankoatra io, ta­kin’izy ireo koa, araka ny sorabaventy nolanjain’izy ireo, ny fialan’ny filohan’ny federasionina sy ireo komity mpitantana rehetra mandrafitra izany, amin’izao fotoana. Raha tsiahivina, ekipa enina no tokony hiatrika ny fifaninanana any an-toerana dia ny AS Vanilan­tsika (Sava), ny TGBC Acade­mie Atsinanana, ny Olympi­que de Mangoro (Alaotra Man­­­goro), ny Clini­que Zana­tany Sofia, ny Ased Diana ary ny AJSM Melaky.
Ankoatra ny any Mahajan­ga, misy koa ireo mi­fa­ni­nana any Toliara, ahitana ny COPN Analamanga, ny Antimo Re­cord Atsimo Andre­fana, ny Andakary City V7V, ny FC Man­­jaka Ihorombe, ny FC Black JSF Amoron’i Mania ary ny AS Jet Bongolava.

Tompondaka

Partager sur: